1 Samuel 26:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nitoby tao amin’ny tany be havoana any Hakila izay manandrify ny tany efitra teo amoron-dalana izy. Fa i Davida kosa dia nitoetra tany an-tany efitra, ary hitany fa tonga nanaraka azy tany i Saoly.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nitoby teo amin’ny havoan’i Hakilà i Saola ao atsinanan’ny tany lava volo, eo amoron-dalana, ary i Davida nitoetra tany an’efitra. Nony tazany fa tamy hitady azy any an’efitra i Saola,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nitoby teo amoron-dalana i Saoly tao amin’ny havoanan’i Hakilà izay tandrifin’ny faritra be lobolobo. I Davida izay nitoetra tany an-taniefitra kosa dia nahafantatra fa tonga hanenjika azy any i Saoly.
Malagasy Bible 1865
Ary nitoby tao amin'ny havoana Hakila manandrify ny efitra teo amoron-dalana izy. Fa Davida kosa nitoetra tany an-efitra, ary hitany fa tonga nanaraka azy tany an-efitra Saoly.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary nitoby tao amin'ny havoana Hakila manandrify ny efitra teo amoron-dalana izy. Fa Davida kosa nitoetra tany an-efitra, ary hitany fa tonga nanaraka azy tany an-efitra Saoly.