1 Samuel 26:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niainga i Davida ka tonga teo amin’ny toerana izay nitobian’i Saoly; ary hitan’i Davida ny toerana izay nandrian’i Saoly sy Abnera, zanak’i Nera, komandin’ny miaramilany. Ary natory teo anatin’ny kianja fitobian-tsarety i Saoly ka nitoby manodidina azy ny vahoaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niainga i Davida ka tonga teo amin’ny toerana nitobian’i Saola. Hitan’i Davida ny toerana nandrian’i Saola sy i Abnera zanak’i Nera lehiben’ny miaramilany; tao afovoan’ny toby i Saola no nandry ary nitoby nanodidina azy ny vahoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nankany amin’izay nitobian’i Saoly i Davida ka nahita ny toerana marina izay nandrian’i Saoly sy i Abinera zanakalahin’i Nera lehiben’ny tafika; natory tao afovoan’ny toby i Saoly, fa ny miaramilany kosa nitoby nanodidina azy.
Malagasy Bible 1865
Dia niainga Davida ka tonga teo amin'ny nitobian'i Saoly; ary hitan'i Davida izay nandrian'i Saoly sy Abnera, zanak'i Nera, komandin'ny miaramilany; fa Saoly nandry teo anatin'ny sehatra-sariety, sady nitoby nanodidina azy ny vahoaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niainga i Davida ka tonga teo amin’ny toerana izay nitobian’i Saoly; ary hitan’i Davida ny toerana izay nandrian’i Saoly sy Abnera, zanak’i Nera, komandin’ny miaramilany. Ary natory teo anatin’ny kianja fitobian-tsarety i Saoly ka nitoby manodidina azy ny vahoaka.
malagasy