1 Samuel 26:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Davida tamin’i Ahimeleka hetita sy i Abisay, zanak’i Zeroia, rahalahin’i Joaba: Iza no hidina hiaraka amiko ho any amin’i Saoly any an-toby? Dia hoy i Abisay: Izaho no hidina hiaraka aminao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa niteny tamin’i Akimeleka Heteanina sy tamin’i Abisaï zanak’i Sarvià sy rahalahin’i Jôaba, i Davida ka nanao hoe: «Iza no manaiky hiara-midina amiko, ho any an-toby, ho any amin’i Saola?» Dia hoy i Abisaï namaly azy: «Izaho no hiara-midina aminao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niteny i Davida ka nangataka tamin’i Ahimelèka izay Hetita sy tamin’i Abisay zanak’i Tseroià sy rahalahin’i Jôaba hoe: –Iza aminareo roa lahy no hiaraka amiko ho any amin’ny tobin’i Saoly? Dia namaly i Abisay hoe: –Izaho no hiaraka aminao.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Davida tamin'i Ahimeleka Hetita sy Abisay, zanak'i Zeroia, rahalahin'i Joaba; Iza no hidina hiaraka amiko ho any amin'i Saoly any an-toby? Dia hoy Abisay: Izaho hidina hiaraka aminao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary hoy Davida tamin'i Ahimeleka Hetita sy Abisay, zanak'i Zeroia, rahalahin'i Joaba; Iza no hidina hiaraka amiko ho any amin'i Saoly any an-toby? Dia hoy Abisay: Izaho hidina hiaraka aminao.