1 Samuel 26:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia tonga tao amin’ny vahoaka i Davida sy i Abisay nony alina; ary indro, nandry i Saoly ka natory teo amin’ny kianja fitobian-tsarety, ary ny lefony dia nitsatoka tamin’ny tany teo anilan’ny lohany; i Abnera sy ny vahoaka kosa dia natory manodidina azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Alina no nahatongavan’i Davida sy i Abisaï tany amin’ny vahoaka; ary inty i Saola nandry tao afovoan’ny toby ka natory, ary ny lefony nitsatoka amin’ny tany teo anilan’ny ondany; I Abnera sy ny vahoaka nandry manodidina azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony alina dia tonga teo amin’ny toby i Davida sy i Abisay ary indro i Saoly fa nandry resin-tory teo afovoan’ny toby, ny lefony kosa nitsatoka tamin’ny tany teo akaikin’ny lohany. Ry Abinera sy ny miaramilany dia nandry nanodidina azy.
Malagasy Bible 1865
Ary tonga tao amin'ny vahoaka Davida sy Abisay nony alina; ary, indro, Saoly nandry ka natory teo anatin'ny sehatra-sariety, ary ny lefony nitsatoka amin'ny tany teo anilan'ny lohany; fa Abnera sy ny vahoaka nandry manodidina azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia tonga tao amin’ny vahoaka i Davida sy i Abisay nony alina; ary indro, nandry i Saoly ka natory teo amin’ny kianja fitobian-tsarety, ary ny lefony dia nitsatoka tamin’ny tany teo anilan’ny lohany; i Abnera sy ny vahoaka kosa dia natory manodidina azy.
malagasy