1 Samuel 26:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Abisay tamin’i Davida: Efa voatolotr’Andriamanitra eo an-tananao ny fahavalonao izao; koa, miangavy anao aho, aoka holefoniko indray mandeha monja izy ka hataoko miboroaka amin’ny tany, fa tsy hamely azy indroa akory aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Abisaï tamin’i Davida: «Voahidin’i Iaveh eo an-tananao ity ny fahavalonao anio, ka ankehitriny mba avelao kely re hasiako amin’ny lefona izy dia hataoko miboroaka amin’ny tany amin’ny indray mamely monja, fa tsy hiverenako fanindroany».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy i Abisay tamin’i Davida: –Anio no anoloran’Andriamanitra ny fahavalonao ho eo am-pelatananao; koa aoka holefoniko indray mandeha monja hifantsika amin’ny tany izy fa tsy indroa akory.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Abisay tamin'i Davida: Efa voahidin'Andriamanitra eo an-tananao ny fahavalonao izao; koa, masìna ianao, aoka holefoniko indray mandeha monja hataoko miboroaka amin'ny tany izy, fa tsy hamely azy indroa akory aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Abisay tamin’i Davida: Efa voatolotr’Andriamanitra eo an-tananao ny fahavalonao izao; koa, miangavy anao aho, aoka holefoniko indray mandeha monja izy ka hataoko miboroaka amin’ny tany, fa tsy hamely azy indroa akory aho.
malagasy