1 Samuel 26:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy i Davida tamin’i Abisay: Aza mamono azy; fa iza no manatsotra ny tanany amin’ny voahosotry NY TOMPO ka tsy hanan-tsiny?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy i Davida tamin’i Abisaï: «Aza mamono azy! Fa iza moa no haninji-tanana amin’ny voahosotr’i Iaveh, ka afa-maina tsy ho voasazy?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy kosa i Davida tamin’i Abisay: –Tsia, aza mamono azy. Moa ataonao ho afa-maina izay mitady ny ain’ilay voahosotry ny TOMPO ka tsy hofaizina?
Malagasy Bible 1865
Fa hoy Davida tamin'i Abisay: Aza mamono azy; fa iza no maninjitra ny tànany tamin'ny voahosotr'i Jehovah ka tsy nanan-tsiny?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy i Davida tamin’i Abisay: Aza mamono azy; fa iza no manatsotra ny tanany amin’ny voahosotry NY TOMPO ka tsy hanan-tsiny?
malagasy
Fa hoy Davida tamin'i Abisay: Aza mamono azy; fa iza no maninjitra ny tànany tamin'ny voahosotr'i Jehovah ka tsy nanan-tsiny?