1 Samuel 27:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Davida anakampo: Mbola ho azon’ny tanan’i Saoly ihany aho indray andro any; tsy misy mahasoa ahy afa-tsy ny mandositra haingana any amin’ny tanin’ny Filistina, dia ho kivy i Saoly ka tsy hitady ahy manerana ny tanin’ny Israely intsony ary ho afaka amin’ny tanany aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Davida anakampony: «Mbola ho fatin’ny tanan’i Saola ihany aho, indray andro any, ka ny mandositra faingana any amin’ny tanin’ny Filistinina no mety amiko indrindra, mba hitsaharan’i Saola tsy hitady ahy intsony amin’ny faritan’i Israely rehetra, dia ho afaka amin’ny tanany aho».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy i Davida anakampo: «Ho fatin’ny tanan’i Saoly ihany aho indray andro any. Koa ny tsara indrindra amiko dia tsy misy afa-tsy ny mandositra any amin’ny tanin’ny Filistinina. Hatsahatr’i Saoly ny fitadiavany ahy manerana ny faritanin’i Israely, ka dia ho afa-doza aminy aho.»
Malagasy Bible 1865
Ary Davida nanao anakampo hoe; Mbola ho fatin'ny tànan'i Saoly ihany aho indray androany; tsy misy mahasoa ahy afa-tsy ny mandositra haingana any amin'ny tanin'ny Filistina, dia hamoy ahy Saoly ka tsy hitady ahy eran'ny tanin'ny Isiraely intsony, dia ho afaka amin'ny tànany aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Davida anakampo: Mbola ho azon’ny tanan’i Saoly ihany aho indray andro any; tsy misy mahasoa ahy afa-tsy ny mandositra haingana any amin’ny tanin’ny Filistina, dia ho kivy i Saoly ka tsy hitady ahy manerana ny tanin’ny Israely intsony ary ho afaka amin’ny tanany aho.
malagasy
[Ny nitoeran'i Davida tany Ziklaga tany amin'ny Filistina] Ary Davida nanao anakampo hoe; Mbola ho fatin'ny tànan'i Saoly ihany aho indray androany; tsy misy mahasoa ahy afa-tsy ny mandositra haingana any amin'ny tanin'ny Filistina, dia hamoy ahy Saoly ka tsy hitady ahy eran'ny tanin'ny Isiraely intsony, dia ho afaka amin'ny tànany aho.