1 Samuel 27:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy nisy novelomin’i Davida mba hoentiny any Gata, na lehilahy na vehivavy, fa hoy izy: Andrao hisy hilaza momba anay hoe: Toy izao no nataon’i Davida ary toy izany no fanaony tamin’ny andro rehetra nitoerany tany ambanivohitry ny Filistina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny olona no tsy nasian’i Davida miangana, ho enti-mankany Geta, na lahy na vavy, dia hoy izy anakampo: «Fandrao manao filazana mamely antsika ireo, manao hoe: Izao sy izao no nataon’i Davida». Ary toy izany mandrakariva no nataony, tamin’ny andro rehetra nitoerany tany amin’ny tanin’ny Filistinina;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy nasian’i Davida lehilahy na vehivavy iray velona hoentina any Gata, sao dia hisy hiampanga azy hoe: «Izao no nataon’i Davida.» Toy izany hatrany no fanaon’i Davida nandritra ny fotoana nitoerany tany amin’ny tanin’ny Filistinina.
Malagasy Bible 1865
Ary tsy nisy novelomin'i Davida ho entiny any Gata, na lehilahy na vehivavy; fa hoy izy: Andrao izahay lazainy hoe: Toy izany no nataon'i Davida, ary toy izany no fanaony tamin'ny andro rehetra nitoerany tany amin'ny tanin'ny Filistina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy nisy novelomin’i Davida mba hoentiny any Gata, na lehilahy na vehivavy, fa hoy izy: Andrao hisy hilaza momba anay hoe: Toy izao no nataon’i Davida ary toy izany no fanaony tamin’ny andro rehetra nitoerany tany ambanivohitry ny Filistina.
malagasy
Ary tsy nisy novelomin'i Davida ho entiny any Gata, na lehilahy na vehivavy; fa hoy izy: Andrao izahay lazainy hoe: Toy izany no nataon'i Davida, ary toy izany no fanaony tamin'ny andro rehetra nitoerany tany amin'ny tanin'ny Filistina.Ary Akisy nino an'i Davida ka nanao hoe: Efa nampangidy hoditra ny tenany any amin'ny Isiraely olony izy, ka dia ho mpanompoko mandrakizay.[Heb. nanamaimbo]