1 Samuel 27:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nitoetra tao amin’i Akisy tao Gata i Davida, dia izy sy ny olony, samy miaraka amin’ny ankohonany avy ka i Davida dia niaraka tamin’ny vadiny roa, dia i Ahinoama jezirelita sy i Abigaila vadin’i Nabala karmelita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nitoetra teo amin’i Akisa, tany Geta i Davida sy ny olony, samy nomban’ny fianakaviany avy, ary nomba an’i Davida izy roa vavy, dia i Akinôama avy any Jezraela, sy i Abigaila avy any Karmela, ilay novinadin’i Nabala.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nitoetra tao amin’i Akisy tany Gata i Davida sy ny olony nombàm-pianakaviana avy, mbamin’ireo vadin’i Davida roa, dia Ahinôhama avy any Jizrehela sy i Abigaîla vady navelan’i Nabala avy any Karmela.
Malagasy Bible 1865
Ary nitoetra tao amin'i Akisy tao Gata Davida, dia izy sy ny olony, samy nomban'ny ankohonany avy, ary Davida mbamin'ny adiny roa, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila Karmelita, ilay novinadin'i Nabala.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nitoetra tao amin’i Akisy tao Gata i Davida, dia izy sy ny olony, samy miaraka amin’ny ankohonany avy ka i Davida dia niaraka tamin’ny vadiny roa, dia i Ahinoama jezirelita sy i Abigaila vadin’i Nabala karmelita.
malagasy