1 Samuel 27:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Davida tamin’i Akisy: Raha mahita fitia eo imasonao aho dia aoka mba homena toerana ao amin’ny tanàna iray any ambanivohitra mba honenako, fa nahoana ny mpanomponao no hitoetra miaraka aminao eto amin’ny renivohitry ny fanjakana?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Davida tamin’i Akisa: «Raha mba nahita fitia eo imasonao ihany aho, dia aoka homena ahy ny fitoerana anankiray honenako ao amin’ny anankiray amin’ny tanàna any an-tsaha, satria aiza ka dia hiara-monina aminao, eto amin’ny renivohi-panjakanao ny mpanomponao?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro dia hoy i Davida tamin’i Akisy: –Raha tsara fo amiko tokoa ianao, dia aoka aho mba homena toerana iray amin’ny tanàna any ambanivohitra hipetrahako. Fa mpanomponao aho ka nahoana no dia hiara-mitoetra aminao ato amin’ny renivohi-panjakàna?
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Davida tamin'i Akisy: Raha mahita fitia eo imasonao aho, aoka mba homena fonenana ao amin'ny tanàna anankiray any an-tsaha aho mba honenako any, fa nahoana ny mpanomponao no hitoetra aminao eto amin'ny renivohitry ny fanjakana?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Davida tamin’i Akisy: Raha mahita fitia eo imasonao aho dia aoka mba homena toerana ao amin’ny tanàna iray any ambanivohitra mba honenako, fa nahoana ny mpanomponao no hitoetra miaraka aminao eto amin’ny renivohitry ny fanjakana?
malagasy