1 Samuel 27:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Namely ny tany i Davida ka tsy nisy novelominy na lehilahy na vehivavy, sady namabo ondry aman’osy sy omby, boriky sy rameva ary fitafiana izy, dia niverina nankany amin’i Akisy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noravan’i Davida mihitsy ny tany fa ny olona tsy nasiany miangana na lahy na vavy, ny ondry, ny omby, ny ampondra, ny rameva, mbamin’ny fitafiana, nobaboiny avokoa, vao niverina tany amin’i Akisa izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nosimban’i Davida ny taniny, ka tsy nisy lehilahy sy vehivavy niangana na iray aza. Nobaboiny ny ondry aman’osy, ny omby mbamin’ny boriky sy ny rameva, ary ny fitafiana; dia niverina tany amin’i Akisy izy.
Malagasy Bible 1865
Ary Davida namely ny tany, ka tsy nisy novelominy na lehilahy na vehivavy, sady namabo ondry aman'osy sy omby sy boriky sy rameva ary fitafiana izy, dia niverina nankany amin'i Akisy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Namely ny tany i Davida ka tsy nisy novelominy na lehilahy na vehivavy, sady namabo ondry aman’osy sy omby, boriky sy rameva ary fitafiana izy, dia niverina nankany amin’i Akisy.
malagasy
Ary Davida namely ny tany, ka tsy nisy novelominy na lehilahy na vehivavy, sady namabo ondry aman'osy sy omby sy boriky sy rameva ary fitafiana izy, dia niverina nankany amin'i Akisy.