1 Samuel 28:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izany andro izany ny Filistina dia namory ny miaramilany mba hanafika ny Israely. Ary hoy i Akisy tamin’i Davida: Aoka ho fantatrao tsara fa hiara-mandeha amiko hanafika ianao sy ny olonao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany andro izany nangonin’ny Filistinina ho tafika iray ihany ny antoko-miaramilany rehetra hiady amin’i Israely. Ka hoy i Akisa tamin’i Davida: «Fantaro fa ho avy miaraka amiko any an-toby ianao sy ny olonao».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izany andro izany dia nangonin’ny Filistinina ho tafika tokana ny miaramilany mba hiady amin’i Israely. Ary hoy i Akisy tamin’i Davida: –Fantatrao tsara fa hiantafika hiaraka amiko ianao sy ny olonao.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany andro izany ny Filistina dia namory ny miaramilany hanafika ny Isiraely. Ary hoy Akisy tamin'i Davida: Aoka ho fantatrao tsara fa hiara-mivoaka amiko hanafika ianao sy ny olonao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izany andro izany ny Filistina dia namory ny miaramilany mba hanafika ny Israely. Ary hoy i Akisy tamin’i Davida: Aoka ho fantatrao tsara fa hiara-mandeha amiko hanafika ianao sy ny olonao.
malagasy
[Ny nikambanan'i Davida tamin'ny Filistina, sy ny nivorian'ny Filistina hiady tamin'ny Isiraely, ary ny nankanesan'i Saoly tany amin'ilay vehivavy nanao azy ho tsindrian-javatra] Ary tamin'izany andro izany ny Filistina dia namory ny miaramilany hanafika ny Isiraely. Ary hoy Akisy tamin'i Davida: Aoka ho fantatrao tsara fa hiara-mivoaka amiko hanafika ianao sy ny olonao.