1 Samuel 28:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy izy taminy: Manao ahoana ny endriny? Dia hoy izy: Lehilahy antitra manao akanjobe ivelany no miakatra. Dia fantatr’i Saoly fa i Samoela izay ka niankohoka niondrika tamin’ny tany izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy izy taminy: «Manao ahoana ny endriny?» Ary hoy ny navaliny: «anti-dahy io miakatra io, ary mihodidina amin’ny kapaoty izy.» Fantatr’i Saola fa i Samoela izay, ka tafaondrika tamin’ny tany terỳ izy, dia niankohoka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ihany ny mpanjaka taminy: –Manao ahoana izy izany? Dia hoy ravehivavy hoe: –Lehilahy antitra misalotra akanjobe no miakatra. Fantatr’i Saoly fa i Samoela marina izay; koa dia niankohoka tamin’ny tany ho mari-panajana izy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy taminy: Manao ahoana no endriny? Dia hoy izy: Lehilahy antitra no miakatra sady mikapôty izy. Ary fantatr'i Saoly fa Samoela izay, dia niondrika tamin'ny tany izy ka niankohoka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy izy taminy: Manao ahoana ny endriny? Dia hoy izy: Lehilahy antitra manao akanjobe ivelany no miakatra. Dia fantatr’i Saoly fa i Samoela izay ka niankohoka niondrika tamin’ny tany izy.
malagasy
Ary hoy izy taminy: Manao ahoana no endriny? Dia hoy izy: Lehilahy antitra no miakatra sady mikapôty izy. Ary fantatr'i Saoly fa Samoela izay, dia niondrika tamin'ny tany izy ka niankohoka.