1 Samuel 28:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Samoela tamin’i Saoly: Nahoana no helingeleninao aho ka ampiakarinao? Dia hoy i Saoly: Sahirana loatra aho, fa miady amiko ny Filistina nefa Andriamanitra efa nahafoy ahy ka tsy mamaly teny ahy intsony, na amin’ny alalan’ny mpaminany, na amin’ny nofy; koa izany no niantsoako anao mba hampahafantaranao ahy izay hataoko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Samoela tamin’i Saola: «Ahoana no manabataba ahy ianao amin’ny fampiakarana ahy?» Dia namaly i Saola nanao hoe: «Poritra loatra aho: ny Filistinina miady amiko, ary Andriamanitra nihataka tamiko, fa tsy namaly ahy Izy, na tamin’ny mpaminany, na tamin’ny nofy. Niantso anao aho, mba hampahalala ahy izay tsy maintsy ataoko.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanontany azy kosa i Samoela hoe: –Fa ahoana no kotabainao aho ka nampiantsoinao? Dia hoy ny navalin’i Saoly: –Mafy ny manjo ahy, fa miady amiko ny Filistinina ary efa nandao ahy Andriamanitra ka tsy mamaly ahy intsony na amin’ny mpaminany na amin’ny nofy. Izany no nampiantsoako anao mba hampahafantatra ahy izay tokony hataoko.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Samoela tamin'i Saoly: Nahoana no korontaninao aho ka ampiakarinao? Dia hoy Saoly: Tery loatra aho, fa miady amiko ny Filistina, ary Andriamanitra efa nahafoy ahy ka tsy mamaly teny ahy intsony, na amin'ny mpaminany, na amin'ny nofy; koa izany no nampanalako anao mba hampahalalanao ahy izay hataoko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Samoela tamin’i Saoly: Nahoana no helingeleninao aho ka ampiakarinao? Dia hoy i Saoly: Sahirana loatra aho, fa miady amiko ny Filistina nefa Andriamanitra efa nahafoy ahy ka tsy mamaly teny ahy intsony, na amin’ny alalan’ny mpaminany, na amin’ny nofy; koa izany no niantsoako anao mba hampahafantaranao ahy izay hataoko.
malagasy