1 Samuel 28:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Davida tamin’i Akisy: Ho fantatrao amin’izao tokoa izay hain’ny mpanomponao atao. Hoy kosa i Akisy tamin’i Davida: Raha izany dia hataoko mpiambina ahy manokana mandrakizay ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny navalin’i Davida tamin’i Akisa: «Koa ho hitanao ny hafitsoky ny mpanomponao». Ka hoy i Akisa tamin’i Davida: «Ary izaho kosa hanangana anao ho mpiambina ny tenako mandrakizay».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy ny navalin’i Davida azy: –Eny, tompokolahy, ho hitanao eo moa izay haiko hatao. Ary hoy indray Akisy tamin’i Davida: –Eny àry, fa dia ianao no hataoko mpiambina ny tenako mandrakizay.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Davida tamin'i Akisy: Amin'izao dia ho fantatrao tokoa izay hain'ny mpanomponao hatao. Ary hoy Akisy tamin'i Davida: Noho izany dia hataoko mpiaro ny lohako mandrakizay ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Davida tamin’i Akisy: Ho fantatrao amin’izao tokoa izay hain’ny mpanomponao atao. Hoy kosa i Akisy tamin’i Davida: Raha izany dia hataoko mpiambina ahy manokana mandrakizay ianao.
malagasy
Ary hoy Davida tamin'i Akisy: Amin'izao dia ho fantatrao tokoa izay hain'ny mpanomponao hatao. Ary hoy Akisy tamin'i Davida: Noho izany dia hataoko mpiaro ny lohako mandrakizay ianao.