1 Samuel 28:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia lavo niampatra tamin’ny tany niaraka tamin’izay i Saoly ka raiki-tahotra indrindra noho ny tenin’i Samoela, sady efa tsy nisy hery intsony izy, satria tsy nihinan-kanina indray andro sy indray alina maninjitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia lavo nitsingidina tamin’ny tany, niaraka tamin’izay, i Saola; fa ny tenin’i Samoela nahatsiravina azy indrindra; ny heriny koa efa tsy nisy intsony, satria tsy nanendry hanina izy, indray andro sy indray alina maninjitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha vao nandre izany tenin’i Samoela izany i Saoly, dia nitsirara tamin’ny tany fa raiki-tahotra mafy. Manampy trotraka izany dia efa ambivitra ny heriny satria tsy nihinan-kanina tontolo andro sy tontolo alina izy.
Malagasy Bible 1865
Dia lavo niampatra tamin'ny tany niaraka tamin'izay Saoly ka raiki-tahotra indrindra noho ny tenin'i Samoela; sady efa tsy nisy hery intsony izy, satria tsy nihinan-kanina indray andro sy indray alina maninjitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia lavo niampatra tamin’ny tany niaraka tamin’izay i Saoly ka raiki-tahotra indrindra noho ny tenin’i Samoela, sady efa tsy nisy hery intsony izy, satria tsy nihinan-kanina indray andro sy indray alina maninjitra.
malagasy