1 Samuel 28:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nankao amin’i Saoly Ravehivavy ka nahita azy raiki-tahotra indrindra dia niteny taminy hoe: Indro, ny mpanompovavinao nihaino ny feonao dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nihaino ny teninao izay nolazainao tamiko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nankeo amin’i Saola ilay vehivavy, ka nahita azy very hevitra efa izay tsizy, ka dia nanao taminy hoe: «Efa nihaino ny feonao ny ankizivavinao ary nanao vy very ny aiko aho, tamin’ny nanekeko ny teny nolazainao tamiko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanatona an’i Saoly ilay vehivavy ka nahita ny fahorian-tsainy. Koa dia hoy izy taminy: –Efa nihaino anao aho mpanompovavinao, fa na dia maningotra ny aiko aza izany, dia notanterahiko ihany izay nangatahinao tamiko.
Malagasy Bible 1865
Ary nankao amin'i Saoly ravehivavy ka nahita azy ory indrindra, dia nanao taminy hoe: Indro, ny ankizivavinao nihaino ny feonao, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nihaino ny teninao izay nolazainao tamiko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nankao amin’i Saoly Ravehivavy ka nahita azy raiki-tahotra indrindra dia niteny taminy hoe: Indro, ny mpanompovavinao nihaino ny feonao dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nihaino ny teninao izay nolazainao tamiko.
malagasy