1 Samuel 28:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nandà izy hoe: Tsy hihinana aho. Ny mpanompony sy Ravehivavy anefa dia mbola nanery azy ihany, hany ka nihaino ny feony ihany izy. Dia nitsangana avy teo amin’ny tany izy ka nipetraka teo am-parafara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy nety anefa izy, fa hoy izy: «Tsy hihinana aho.» Nanery azy teo niaraka tamin-dravehivavy ireto mpanompony, dia nanaiky ny fiambezoan’izy ireo ihany izy. Nitsangana avy eo amin’ny tany, dia nipetraka tamin’ny saofà izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandà tsy nety nihinana anefa i Saoly, saingy nikiry nanery azy kosa ireo mpanompony sy ilay vehivavy, koa dia nanaiky ihany izy tamin’ny farany. Dia niarina teo amin’ny tany izy ka nipetraka teo am-parafara.
Malagasy Bible 1865
Fa tsy nety izy, fa hoy izy: Tsy hihinana aho. Fa ny mpanompony sy ravehivavy mbola nanery azy ihany, ka dia nihaino ny feony izy. Dia nitsangana izy ka nipetraka teo am-parafara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Fa tsy nety izy, fa hoy izy: Tsy hihinana aho. Fa ny mpanompony sy ravehivavy mbola nanery azy ihany, ka dia nihaino ny feony izy. Dia nitsangana izy ka nipetraka teo am-parafara.