1 Samuel 28:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa maty i Samoela, ary ny Israely rehetra dia nisaona azy sy nandevina azy tao Rama, tao an-tanànany. Efa noroahin’i Saoly hiala amin’ny tany koa izay mpanontany amin’ny maty sy izay mpanandro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa maty i Samoela ka nitomanian’i Israely rehetra ary naleviny tany Ramà tao amin’ny tanànany. Ary efa noroahin’i Saola hiala amin’ny tany ny olona mpamoha angatra sy mpanao sikidy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa maty i Samoela, dia nisaona azy ny Israelita rehetra, ary nandevina azy tao Ramà tanànany. Ary efa noraran’i Saoly tsy hatao amin’ny taniny ny famohazana angatra sy ny sikidy.
Malagasy Bible 1865
(Ary efa maty Samoela, ka ny Isiraely rehetra efa nisaona azy sy nandevina azy tao Rama, dia tao an-tanànany. Ary efa noroahin'i Saoly hiala amin'ny tany izay nanao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana.)
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa maty i Samoela, ary ny Israely rehetra dia nisaona azy sy nandevina azy tao Rama, tao an-tanànany. Efa noroahin’i Saoly hiala amin’ny tany koa izay mpanontany amin’ny maty sy izay mpanandro.
malagasy