1 Samuel 28:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Saoly tamin’ny mpanompony: Itadiavo vehivavy mpanontany amin’ny maty aho hankanesako any hanontaniako aminy. Ary hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy vehivavy mpanontany amin’ny maty ao Eny-Dora.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Saola tamin’ny mpanompony; «Izahao vehivavy mpamoha angatra aho dia handeha hanatona azy sy hanontany azy aho». Ka hoy ny mpanompony taminy: «Any Endôra misy vehivavy mpamoha angatra».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa dia nandidy ireo manamboninahiny i Saoly hoe: –Itadiavo vehivavy mpamoha angatra aho hankanesako any aminy mba hanontaniako. Ary hoy ny mpanompony taminy: –Misy vehivavy mpamoha angatra any Haîna-Dôra.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Saoly tamin'ny mpanompony: Itadiavo vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra aho hankanesako any hanontaniako aminy. Ary hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra eo Andora.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Saoly tamin’ny mpanompony: Itadiavo vehivavy mpanontany amin’ny maty aho hankanesako any hanontaniako aminy. Ary hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy vehivavy mpanontany amin’ny maty ao Eny-Dora.
malagasy