1 Samuel 28:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanova tarehy i Saoly ka niakanjo fitafiana hafa. Ary nandeha niaraka tamin’ny olona roa lahy izy ka tonga tao amin-dRavehivavy nony alina. Hoy izy: Miangavy anao aho, manaova sikidy ho ahy hiantso fanahin’ny maty iray ka ampiakaro ho eto amiko izay hotononiko aminao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanova tarehy sy nitafy fitafiana hafa i Saola, ka niainga narahin’olona roa lahy. Alina no tonga tany amin’ilay vehivavy izy ireo ka hoy i Saola taminy: «Lazao amiko mialoha izay ho avy, amin’ny fiantsoana ny maty anankiray, ary asaovy miakatra mankatỳ amiko izay hotononiko aminao».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanova endrika i Saoly fa nisolo fitafy, ka nankany Haîna-Dôra niaraka tamin’ny lehilahy roa; ary alina izy ireo no tonga tao amin-dravehivavy, dia hoy i Saoly taminy: –Anaovy majika amin’ny famohazana angatra aho, ka asehoy amiko izay hotononiko aminao.
Malagasy Bible 1865
Dia nanova tarehy Saoly ka nitafy fitafiana hafa, dia nandeha izy sy ny olona roa lahy nanaraka azy ka tonga tao amin-dravehivavy nony alina; ary hoy izy: Masìna ianao, manaova fankatovana ho ahy amin'ny zavatra manindry anao, ka ampiakaro ho etỳ amiko izay hotononiko aminao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanova tarehy i Saoly ka niakanjo fitafiana hafa. Ary nandeha niaraka tamin’ny olona roa lahy izy ka tonga tao amin-dRavehivavy nony alina. Hoy izy: Miangavy anao aho, manaova sikidy ho ahy hiantso fanahin’ny maty iray ka ampiakaro ho eto amiko izay hotononiko aminao.
malagasy