1 Samuel 28:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy Ravehivavy taminy: Indro, fantatrao izay nataon’i Saoly tamin’ny namongorany ny mpanontany amin’ny maty sy ny mpanandro hiala amin’ny tany; koa nahoana ianao no mamandrika ny aiko hahafaty ahy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa namaly azy ravehivavy: «Indro fa fantatrao ihany ny nataon’i Saola, dia ny nandroahany hiala amin’ny tany izay olona mpamoha angatra sy mpanao sikidy, ka nahoana ianao no dia mamela-pandrika hahafaty ny aiko?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa namaly azy ilay vehivavy hoe: –Fantatro tsara izay nataon’i Saoly, dia ny namongorany hiala amin’ny tany ny mpamoha angatra sy ny mpisikidy. Koa nahoana no mamela-pandrika ahy haningotra ny aiko ianao?
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ravehivavy taminy: Indro, fantatrao izay nataon'i Saoly, dia ny nandroahany ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana hiala amin'ny tany, ka nahoana ianao no mamandrika ny aiko hahafaty ahy?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy Ravehivavy taminy: Indro, fantatrao izay nataon’i Saoly tamin’ny namongorany ny mpanontany amin’ny maty sy ny mpanandro hiala amin’ny tany; koa nahoana ianao no mamandrika ny aiko hahafaty ahy?
malagasy