1 Samuel 29:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nandroso nitarika ny miaramilany isan-jato sy isan’arivo ireo andrianan’ny Filistina; fa i Davida sy ny olony kosa dia nandroso teo aoriana niaraka tamin’i Akisy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha nandroso nitarika ny an-jatony sy ny an’arivony ireo andrian’ny Filistinina, ary i Davida sy ny olony kosa namindra terỳ amin’ny vody lalana, niaraka tamin’i Akisa, dia hoy ireo filohan’ny Filistinina:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nilahatra teo alohan’ny andian-tafiny ireo filohan’ny Filistinina; fa i Davida sy ireo olony kosa dia tatỳ aoriana no nilahatra niaraka tamin’i Akisy.
Malagasy Bible 1865
Ary ireo andrianan'ny Filistina nandroso nitarika ny miaramilany isan-jato sy isan'arivo; fa Davida sy ny olony kosa nandroso teo aoriana niaraka tamin'i Akisy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nandroso nitarika ny miaramilany isan-jato sy isan’arivo ireo andrianan’ny Filistina; fa i Davida sy ny olony kosa dia nandroso teo aoriana niaraka tamin’i Akisy.
malagasy
Ary ireo andrianan'ny Filistina nandroso nitarika ny miaramilany isan-jato sy isan'arivo; fa Davida sy ny olony kosa nandroso teo aoriana niaraka tamin'i Akisy.