1 Samuel 29:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy ireo andrianan’ny Filistina: Haninona moa ireto Hebreo ireto? Ary hoy i Akisy tamin’ireo andrianan’ny Filistina: Tsy io va no i Davida, mpanompon’i Saoly, mpanjakan’ny Israely, ilay tatỳ amiko elaela ihany izay, ary tsy hitako izay tsininy hatrizay nialany niandany tamiko ka mandraka androany?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ahoana ireto Hebrio?» Ary hoy i Akisa namaly an’ireo filohan’ny Filistinina: «Tsy io va no Davida mpanompon’i Saola mpanjakan’i Israely, ka efa andro maro sy taona maro izay izy no tatỳ amiko, nefa tsy mbola nahita izay tsininy aho na dia kely aza, hatrizay nifindrany ho atỳ amintsika izay ka mandraka androany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ireo filohan’ny Filistinina: –Inona no ataon’ireo Hebreo ireo eto? Ka hoy i Akisy namaly ireo filohan’ny Filistinina: –I Davida mpanompon’i Saoly mpanjakan’i Israely io, saingy efa niaraka tamiko aman-taonany izy izao. Ary tsy mbola hitako izay tsininy hatramin’izay nialany tany ka nifindrany tatỳ izay.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ireo andrianan'ny Filistina: Haninona moa ireto Hebreo ireto? Ary hoy Akisy tamin'ireo andrianan'ny Filistina: Tsy io va no Davida, mpanompon'i Saoly, mpanjakan'ny Isiraely, ilay tatỳ amiko elaela ihany izay, ary tsy hitako izay tsininy hatrizay nialany niandany tamiko ka mandraka androany?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy ireo andrianan’ny Filistina: Haninona moa ireto Hebreo ireto? Ary hoy i Akisy tamin’ireo andrianan’ny Filistina: Tsy io va no i Davida, mpanompon’i Saoly, mpanjakan’ny Israely, ilay tatỳ amiko elaela ihany izay, ary tsy hitako izay tsininy hatrizay nialany niandany tamiko ka mandraka androany?
malagasy