1 Samuel 29:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia tezitra taminy ireo andrianan’ny Filistina ka niteny taminy hoe: Avereno ho any amin’ny fonenany izay efa nomenao azy ihany Ilehio fa aza avela hiara-midina amintsika hiady, fandrao ho tonga fahavalontsika raha miady; fa amin’ny inona no hahazoan’io sitraka amin’ny tompony? Tsy amin’ny lohan’ireto olona ireto va?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tezitra tamin’i Akisa anefa ireo filohan’ny Filistinina ka hoy ny filohan’ny Filistinina taminy hoe: «Alefaso iny lehilahy iny, aoka izy hiverina any amin’ny tany namponenanao azy any, fa aoka tsy hiara-midina amintsika ho any amin’ny ady, fandrao dia tonga fahavalontsika izy rehefa miady. Satria inona indray àry no hahazoany sitraka amin’ny tompony fa tsy amin’ny fanolorany aminy ny lohan’ireto lehilahy ireto.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tezitra tamin’i Akisy ireo filohan’ny Filistinina ka nanao taminy hoe: –Roahy any io lehilahy io hiverina any amin’ny tanàna izay efa nomenao hitoerany. Aza avela hidina hiara-kiady amintsika izy, fandrao dia isika indray no hifoterany rehefa miady. Fa inona moa no hahazoany sitraka amin’i Saoly tompony, raha tsy ny fanolorany azy ny lohan’ireo olontsika?
Malagasy Bible 1865
Dia tezitra taminy ireo andrianan'ny Filistina ka nanao taminy hoe: Avereno ihany ilehio ho any amin'ny fonenany izay efa nomenao azy, fa aza avela hidina hiaraka amintsika hiady izy, fandrao ho tonga fahavalontsika raha miady; fa amin'inona no hahazoan'io sitraka amin'ny tompony? Tsy amin'ny lohan'ireto olona ireto va?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia tezitra taminy ireo andrianan’ny Filistina ka niteny taminy hoe: Avereno ho any amin’ny fonenany izay efa nomenao azy ihany Ilehio fa aza avela hiara-midina amintsika hiady, fandrao ho tonga fahavalontsika raha miady; fa amin’ny inona no hahazoan’io sitraka amin’ny tompony? Tsy amin’ny lohan’ireto olona ireto va?
malagasy