1 Samuel 29:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy io moa no i Davida izay nandihizana sy nanaovana hira mifamaly hoe: I Saoly dia nahafaty arivoarivo, fa i Davida dia nahafaty alinalina?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary moa tsy io Davida io indrindra va no nihiràna tamim-pandihizana hoe: Matin’i Saola ny arivoarivo; ary matin’i Davida ny alinalina.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Moa tsy io Davida io ve ilay nihirana sy nandihizana hoe: «I Saoly nahafaty an’arivoarivo, fa i Davida kosa nahafaty an’alinalina.»
Malagasy Bible 1865
Tsy io moa no Davida, izay nandihizany sy nanaovany hira mifamaly hoe: "Saoly nahafaty arivoarivo, Fa Davida nahafaty alinalina?"
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy io moa no i Davida izay nandihizana sy nanaovana hira mifamaly hoe: I Saoly dia nahafaty arivoarivo, fa i Davida dia nahafaty alinalina?
malagasy
Tsy io moa no Davida, izay nandihizany sy nanaovany hira mifamaly hoe: "Saoly nahafaty arivoarivo, Fa Davida nahafaty alinalina?"