1 Samuel 29:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niantso an’i Davida i Akisy ka niteny taminy hoe: Raha velona koa NY TOMPO, olona marina ianao sady sitrako ny hiarahanao amiko mivoaka sy miditra eto an-toby satria tsy hitako izay tsininao hatrizay nahatongavanao teto amiko ka mandraka androany; nefa kosa tsy sitrak’ireo andriana ireo ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nantsoin’i Akisa i Davida, ka nilazany hoe: «Marina fa velona i Iaveh ka dia olo-marina ianao, sady sitrako eo imasoko izay rehetra ataonao amiko eto an-toby, satria tsy mbola nahita ratsy taminao aho hatrizay nahatongavanao tatỳ amiko, ka mandraka androany. Nefa kosa tsy sitrak’ireo andriana ireo ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niantso an’i Davida i Akisy ary nanao taminy hoe: –Velona ny TOMPO ka milaza marina aho fa olona mahatoky ianao; tiako ny hiarahanao amiko amin’izao ady izao, satria tsy mbola hitako izay tsininao hatramin’izay nahatongavanao teto amiko izay. Kanefa tsy mahazoazo anao ireo filohan’ny Filistinina ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary Akisy niantso an'i Davida ka nanao taminy hoe: Raha velona koa Jehovah, marina ianao, sady sitrako ny iarahanao miditra sy mivoaka amiko eto an-toby, fa tsy hitako izay tsininao hatrizay nahatongavanao teto amiko ka mandraka androany; nefa kosa tsy sitrak'ireo andriana ireo ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niantso an’i Davida i Akisy ka niteny taminy hoe: Raha velona koa NY TOMPO, olona marina ianao sady sitrako ny hiarahanao amiko mivoaka sy miditra eto an-toby satria tsy hitako izay tsininao hatrizay nahatongavanao teto amiko ka mandraka androany; nefa kosa tsy sitrak’ireo andriana ireo ianao.
malagasy