1 Samuel 3:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanao fanompoam-pivavahana ho an’NY TOMPO teo anatrehan’i Ely i Samoela zaza. Tamin’izany andro izany dia nahalana ny tenin’NY TOMPO ary tsy nisy fahitana niseho loatra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanao ny fanompoana tamin’i Iaveh teo anatrehan’i Helì, i Samoela kely. Nahàlana ny tenin’i Iaveh tamin’izany andro izany, ary vitsy ny fahitana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa i Samoela kely kosa nanompo ny TOMPO teo ambany fitantanan’i Helỳ. Tamin’izany fotoana izany, dia efa nahalana ny fitenenan’ny TOMPO mivantana tamin’olona ary efa vitsy koa ny fahitana avy aminy.
Malagasy Bible 1865
Ary Samoela zaza nanao fanompoam-pivavahana tamin'i Jehovah teo anatrehan'i Ely. Ary tamin'izany andro izany efa nahàlana ny tenin'i Jehovah: tsy nisy fahitana niseho loatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanao fanompoam-pivavahana ho an’NY TOMPO teo anatrehan’i Ely i Samoela zaza. Tamin’izany andro izany dia nahalana ny tenin’NY TOMPO ary tsy nisy fahitana niseho loatra.
malagasy
[Ny niantsoana an'i Samoela ho mpaminanin'Jehovah] Ary Samoela zaza nanao fanompoam-pivavahana tamin'i Jehovah teo anatrehan'i Ely. Ary tamin'izany andro izany efa nahàlana ny tenin'i Jehovah: tsy nisy fahitana niseho loatra.