1 Samuel 3:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy izy: Inona no zavatra nolazain’NY TOMPO taminao? Miangavy anao aho, aza afeninao ahy; hataon’Andriamanitra aminao anie izany; eny, mihoatra noho izany aza, raha misy afeninao ahy ny zavatra rehetra nolazainy taminao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Helì: «Inona no teny voalaza taminao? Masìna ianao, aza anafenana amiko. Hoentin’i Iaveh amin’izay sarotra indrindra anie ianao, raha misy afeninao amiko izay rehetra nolazainy taminao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Ahoana, hoy ny TOMPO taminao? Aza misy afeninao ahy. Fa raha misy afeninao ahy na dia teny iray fotsiny amin’izay nambarany taminao aza ianao, dia hosazîn’Andriamanitra mafy tokoa anie ianao!
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy: Inona no zavatra nolazain'i Jehovah taminao? masìna ianao, aza afeninao ahy; hataon'Andriamanitra aminao anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha nisy afeninao ahy ny zavatra rehetra nolazainy taminao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy izy: Inona no zavatra nolazain’NY TOMPO taminao? Miangavy anao aho, aza afeninao ahy; hataon’Andriamanitra aminao anie izany; eny, mihoatra noho izany aza, raha misy afeninao ahy ny zavatra rehetra nolazainy taminao.
malagasy