1 Samuel 3:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nihazakazaka nankeo amin’i Ely izy ka niteny hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Nefa hoy i Ely: Tsy niantso aho, miverena matory. Dia lasa natory izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Sady lasa izy nihazakazaka nankany amin’i Helì, nanao hoe: «Inty aho, fa niantso ahy ianao.» Ary hoy i Helì: «Tsy niantso aho, fa miverena mandry.» Dia lasa izy nandry.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
avy teo dia nihazakazaka nankany amin’i Helỳ i Samoela ka nanao taminy hoe: –Niantso ahy ianao, koa intỳ aho! Fa hoy i Helỳ hoe: –Tsy niantso anao aho, fa ’ndeha miverina matory. Dia lasa niverina natory i Samoela.
Malagasy Bible 1865
Dia nihazakazaka nankeo amin'i Ely izy ka nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy Ely: Tsy niantso aho, andeha mandry ihany. Dia lasa nandry izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nihazakazaka nankeo amin’i Ely izy ka niteny hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Nefa hoy i Ely: Tsy niantso aho, miverena matory. Dia lasa natory izy.
malagasy
Dia nihazakazaka nankeo amin'i Ely izy ka nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy Ely: Tsy niantso aho, andeha mandry ihany. Dia lasa nandry izy.