1 Samuel 3:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niantso an’i Samoela fanintelony NY TOMPO. Dia nifoha izy ka nankao amin’i Ely ary niteny hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Tamin’izay dia fantatr’i Ely fa NY TOMPO no niantso ny zaza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nantsoin’i Iaveh fanintelony indray i Samoela ka niarina, dia nankany amin’i Helì,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niantso fanintelony an’i Samoela ny TOMPO, koa dia nitsangana indray izy nankany amin’i Helỳ ka nanao taminy hoe: –Niantso ahy ianao, koa intỳ aho! Izay vao fantatr’i Helỳ fa ny TOMPO no niantso ny zaza.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah niantso an'i Samoela indray fanintelony. Dia nifoha izy ka nankao amin'i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Dia fantatr'i Ely fa Jehovah no niantso ny zaza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niantso an’i Samoela fanintelony NY TOMPO. Dia nifoha izy ka nankao amin’i Ely ary niteny hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Tamin’izay dia fantatr’i Ely fa NY TOMPO no niantso ny zaza.
malagasy
Ary Jehovah niantso an'i Samoela indray fanintelony. Dia nifoha izy ka nankao amin'i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Dia fantatr'i Ely fa Jehovah no niantso ny zaza.