1 Samuel 30:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony tonga teo Ziklaga i Davida sy ny olony tamin’ny andro fahatelo dia indro, fa efa nanafika tany Negeva sy Ziklaga ny Amalekita ka namely an’i Ziklaga sy nandoro azy tamin’ny afo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tonga tao Sikelega i Davida mbamin’ny olony, tamin’ny andro fahatelo, dia efa notafihin’ny Amalesita i Negeba sy i Sikelega: nasiany i Sikelega ka nodorany;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny afakampitso, rehefa tonga tany Tsiklaga i Davida sy ny olony, dia notafihin’ny Hamalekita ny atsimon’i Joda sy i Tsiklaga, noravan’izy ireo sy nodorany ny tanàna.
Malagasy Bible 1865
Ary nony tonga teo Ziklaga Davida sy ny olony tamin'ny andro fahatelo, dia, indro, ny Amalekita efa nanafika ny tany atsimo sy Ziklaga ka namely an'i Ziklaga sy nandoro azy tamin'ny afo;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony tonga teo Ziklaga i Davida sy ny olony tamin’ny andro fahatelo dia indro, fa efa nanafika tany Negeva sy Ziklaga ny Amalekita ka namely an’i Ziklaga sy nandoro azy tamin’ny afo.
malagasy
[Ny namalian'i Davida ny Amalekita noho ny nandravany an'i Ziklaga] Ary nony tonga teo Ziklaga Davida sy ny olony tamin'ny andro fahatelo, dia, indro, ny Amalekita efa nanafika ny tany atsimo sy Ziklaga ka namely an'i Ziklaga sy nandoro azy tamin'ny afo;