1 Samuel 30:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nomeny mofo aviavy didiny iray sy mofo voaloboka maina koa izy; ary rehefa nihinana izy dia nody indray ny ainy, satria efa telo andro sy telo alina izy tsy nihinan-kanina na nisotro rano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
norosoana ampempan’aviavy maina iray didy, sy voaloboka maina roa takelaka. Nony efa nihinana izy, dia nody ny ainy, fa hateloana andro sy hateloana alina izy, tsy nihinan-kanina na nisotro rano.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nomena didina mofomamin’aviavimbazaha sy sampahom-boaloboka maina roa. Rehefa avy nihinana ireo izy, dia nihanahazo hery, satria efa tsy nihinan-kanina nandritra ny telo andro sy telo alina.
Malagasy Bible 1865
Ary nomeny ampempan'aviavy iray didy sy voaloboka maina roa sampaho izy; ary rehefa nihinana izy, dia nody indray ny ainy; fa hateloan'andro sy hateloan'alina izy tsy nihinan-kanina na nisotro rano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nomeny mofo aviavy didiny iray sy mofo voaloboka maina koa izy; ary rehefa nihinana izy dia nody indray ny ainy, satria efa telo andro sy telo alina izy tsy nihinan-kanina na nisotro rano.
malagasy
Ary nomeny ampempan'aviavy iray didy sy voaloboka maina roa sampaho izy; ary rehefa nihinana izy, dia nody indray ny ainy; fa hateloan'andro sy hateloan'alina izy tsy nihinan-kanina na nisotro rano.