1 Samuel 30:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary namely azy tamin’iny takariva iny ka hatramin’ny ampitso hariva i Davida; tsy nisy olona afaka, afa-tsy zatovo efajato lahy izay nitaingina rameva ka lasa nandositra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nasian’i Davida izy ireo, hatramin’ny takarivan’izay ka hatramin’ny ampitso hariva, tsy nisy hafa-nandositra afa-tsy zatovo efajato lahy izay nitaingin-drameva, dia nitsoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Namely azy ireo vao mangiran-dratsy i Davida mandra-paharivan’ny andro manaraka. Tsy nisy niangana na iray aza afa-tsy tovolahy efajato izay afa-nandositra nitaingin-drameva.
Malagasy Bible 1865
Ary Davida namely azy tamin'iny takariva iny ka hatramin'ny ampitso hariva; ary tsy nisy olona afaka, afa-tsy zatovo efa-jato lahy izay nitaingina rameva ka nandositra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary namely azy tamin’iny takariva iny ka hatramin’ny ampitso hariva i Davida; tsy nisy olona afaka, afa-tsy zatovo efajato lahy izay nitaingina rameva ka lasa nandositra.
malagasy
Ary Davida namely azy tamin'iny takariva iny ka hatramin'ny ampitso hariva; ary tsy nisy olona afaka, afa-tsy zatovo efa-jato lahy izay nitaingina rameva ka nandositra.