1 Samuel 30:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary naka ny ondry aman’osy sy ny omby rehetra i Davida. Ireo izay nandeha teo aloha dia nitarika ireo biby kosa dia niantsoantso hoe: Itony ny babon’i Davida!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa nalain’i Davida ny biby fiompy na ny madinika na ny vaventy; dia nandeha teo alohan’izany andiam-biby fiompy izany izy ireo nanao hoe: «Itony no babon’i Davida».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nalain’i Davida koa ny biby fiompy rehetra na kely na lehibe. Ary nandeha teo alohan’ireo biby ireo ny mpitarika azy ka niantsoantso hoe: «Itony no azon’i Davida!»
Malagasy Bible 1865
Ary Davida naka ny ondry aman'osy sy ny omby rehetra; ary nentiny nialoha ny omby hafa ireo, sady nisy niantso hoe: Itony no babon'i Davida.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary naka ny ondry aman’osy sy ny omby rehetra i Davida. Ireo izay nandeha teo aloha dia nitarika ireo biby kosa dia niantsoantso hoe: Itony ny babon’i Davida!
malagasy
Ary Davida naka ny ondry aman'osy sy ny omby rehetra; ary nentiny nialoha ny omby hafa ireo, sady nisy niantso hoe: Itony no babon'i Davida.