1 Samuel 30:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony tonga teo amin’ny roanjato lahy izay reraka ka tsy afaka nanaraka azy ary navela teo amin’ny lohasahan-driaka Besora i Davida dia nandeha nitsena an’i Davida sy ny olona nanaraka azy izy ireo. Rehefa tonga teo akaikin’ny olona i Davida dia nanontany azy ireo izay fahasalamany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niverina i Davida nankany amin’izy roan-jato lahy izay reraka loatra ka tsy afa-nanaraka an’i Davida ka najanona tao amin’ny ranon-driaka Besôra, dia nitsena an’i Davida sy ny vahoaka izay niaraka taminy izy ireo. Nanatona azy ireo i Davida dia niarahaba azy tamim-pitiavana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Davida niverina tany amin’ny roanjato lahy izay efa reraka tsy afa-nanaraka azy ka nijanona teo amin’ny ranon-driakan’i Besôra. Niainga izy ireo hitsena an’i Davida sy ny mpanaraka azy. Dia nanatona azy ry Davida ka niarahaba azy.
Malagasy Bible 1865
Ary Davida tonga teo amin'ny roan-jato lahy, izay reraka ka tsy afaka nanaraka azy, fa najanony teo amin'ny renirano Besora; ary dia nandeha ireo hitsena an'i Davida sy ny olona nanaraka azy; ary nony tonga teo akaikin'ny olona Davida, dia nanontany izay toeny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony tonga teo amin’ny roanjato lahy izay reraka ka tsy afaka nanaraka azy ary navela teo amin’ny lohasahan-driaka Besora i Davida dia nandeha nitsena an’i Davida sy ny olona nanaraka azy izy ireo. Rehefa tonga teo akaikin’ny olona i Davida dia nanontany azy ireo izay fahasalamany.
malagasy