1 Samuel 30:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niteny ireo olona sompatra sy tena ratsy fanahy rehetra izay isan’ireo nanaraka an’i Davida hoe: Satria tsy mba niaraka tamintsika ireo dia tsy hanomezantsika azy ny babo izay azontsika, afa-tsy ny vadiny aman-janany avy ihany; ireo no aoka hoentiny dia aoka handeha izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa rehefa mety ho lehilahy sompatra sy faikany tamin’ny olona niaraka tamin’i Davida dia niteny kosa nanao hoe: «Satria tsy mba tafaraka tamintsika ireo dia tsy mba homentsika amin’ny babo azontsika afa-tsy ny vady aman-janany isany avy ihany; ka aoka hoentiny izany ary handeha any izy».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ireo ratsy fanahy sy faikan’olona tamin’izay nanaraka an’i Davida dia samy niteny hoe: –Satria tsy mba niaraka tamintsika ireo, dia tsy omentsika amin’ny babo izay azontsika afa-tsy ny vady aman-janak’izy ireo ihany; aoka hoentiny any ireo dia, avelao izy handeha.
Malagasy Bible 1865
Dia niteny ny olona sompatra sy tena ratsy fanahy rehetra avy nanaraka an'i Davida ka nanao hoe: Satria tsy mba niaraka tamintsika ireo, dia tsy hanomezantsika azy ny babo izay azontsika, afa-tsy ny vadiny aman-janany isany avy; fa ireo no aoka ho entiny, dia handeha izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niteny ireo olona sompatra sy tena ratsy fanahy rehetra izay isan’ireo nanaraka an’i Davida hoe: Satria tsy mba niaraka tamintsika ireo dia tsy hanomezantsika azy ny babo izay azontsika, afa-tsy ny vadiny aman-janany avy ihany; ireo no aoka hoentiny dia aoka handeha izy.
malagasy