1 Samuel 30:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony tonga tao Ziklaga i Davida, dia mba nanaterany ho an’ireo loholon’ny Joda sakaizany koa ny babo sady hoy izy: Inty ny saotra ho anareo avy amin’ny babo azo tamin’ny fahavalon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tafaverina tany Sikelega i Davida dia nampanaterany ho an’ny loholon’i Jodà, sakaizany, ny babo azony, nataony hoe: «Iny fanatitra ho anareo, avy amin’ny babo azo tamin’ny fahavalon’i Iaveh;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tafaverina tany Tsiklaga i Davida, dia nandefasany anjara tamin’ny babo ireo loholon ’i Joda sakaizany, ka nataony hoe: «Iny fanomezana ho anareo avy amin’ny babo azo tamin’ny fahavalon’ny TOMPO.»
Malagasy Bible 1865
Ary raha tonga tao Ziklaga Davida, dia mba nanaterany ho an'ny loholon'ny Joda sakaizany ny babo ka nataony hoe: Inty izay saotra ho anareo avy amin'ny babo azo tamin'ny fahavalon'i Jehovah,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony tonga tao Ziklaga i Davida, dia mba nanaterany ho an’ireo loholon’ny Joda sakaizany koa ny babo sady hoy izy: Inty ny saotra ho anareo avy amin’ny babo azo tamin’ny fahavalon’NY TOMPO.
malagasy
Ary raha tonga tao Ziklaga Davida, dia mba nanaterany ho an'ny loholon'ny Joda sakaizany ny babo ka nataony hoe: Inty izay saotra ho anareo avy amin'ny babo azo tamin'ny fahavalon'i Jehovah,