1 Samuel 30:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony tonga tao amin’ny tanàna i Davida sy ny olony dia indro, efa levon’ny afo ny tanàna; ary ny vadiny mbamin’ny zanany lahy sy ny zanany vavy dia lasan-ko babo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tonga tao an-tanàna i Davida sy ny olony, dia hitany fa voadoro ny tanàna, ary ny vadiny, ny zanany lahy, ny zanany vavy lasan-ko babo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tonga i Davida sy ny olony, dia nahita fa nisy nandoro ny tanàna, ary nisy nitondra ireo vadiny mbamin’ny zanany lahy sy ny zanany vavy.
Malagasy Bible 1865
Ary Davida sy ny olony tonga tao amin'ny tanàna, ary, indro, efa levon'ny afo ny tanàna; ary ny vadiny mbamin'ny zananilahy sy ny zananivavy efa lasan-ko babo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony tonga tao amin’ny tanàna i Davida sy ny olony dia indro, efa levon’ny afo ny tanàna; ary ny vadiny mbamin’ny zanany lahy sy ny zanany vavy dia lasan-ko babo.
malagasy
Ary Davida sy ny olony tonga tao amin'ny tanàna, ary, indro, efa levon'ny afo ny tanàna; ary ny vadiny mbamin'ny zananilahy sy ny zananivavy efa lasan-ko babo.