1 Samuel 30:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanontany tamin’NY TOMPO i Davida hoe: Henjehiko va izany jirika izany? Ho tratrako va izy? Dia namaly azy NY TOMPO hoe: Enjeho izy fa ho tratranao tokoa ary ho afakao tokoa ireo babo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nanontany an’i Iaveh i Davida nanao hoe: «Hanenjika izany jirika izany va aho? Hahatratra azy va aho?» Ary hoy ny navaliny: «Enjeho, fa hahatratra azy marina tokoa ianao sady hanafaka.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nanontany tamin’ny TOMPO i Davida hoe: –Raha henjehiko ve ireny tontakely ireny, dia mety ho azoko? Ka hoy ny navalin’ny TOMPO azy: –Enjeho izy ireo fa ho azonao, ary dia hoafahanao ireo babo.
Malagasy Bible 1865
Ary Davida nanontany tamin'i Jehovah hoe: Henjehiko va izany jirika izany? Ho tratro va izy? Dia namaly azy Jehovah hoe: Enjeho izy, fa ho tratranao tokoa ary ho rarakao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanontany tamin’NY TOMPO i Davida hoe: Henjehiko va izany jirika izany? Ho tratrako va izy? Dia namaly azy NY TOMPO hoe: Enjeho izy fa ho tratranao tokoa ary ho afakao tokoa ireo babo.
malagasy
Ary Davida nanontany tamin'i Jehovah hoe: Henjehiko va izany jirika izany? Ho tratro va izy? Dia namaly azy Jehovah hoe: Enjeho izy, fa ho tratranao tokoa ary ho rarakao.