1 Samuel 31:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niady tamin’ny Israely ny Filistina. Dia nandositra teo anoloan’ny Filistina ny lehilahin’ny Israely ka niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony rafitra ny adin’ny Filistinina tamin’i Israely, dia nandositra teo anoloan’ny Filistinina ny lehilahy amin’i Israely, ka lavo voan’ny ratra mahafaty teo an-tendrombohitra Jelbôe.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary niady tamin’i Israely ny Filistinina; dia nandositra azy ny Israelita ka faty maro no nitsitsitra teny an-tendrombohitr’i Gilbôa.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Filistina niady tamin'ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan'ny Filistina ny lehilahy amin'ny Isiraely, ary niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niady tamin’ny Israely ny Filistina. Dia nandositra teo anoloan’ny Filistina ny lehilahin’ny Israely ka niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.
malagasy
[Ny nahafatesan'i Saoly sy ny zanany, ary ny nandevenana azy] Ary ny Filistina niady tamin'ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan'ny Filistina ny lehilahy amin'ny Isiraely, ary niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.