1 Samuel 31:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia napetrany tao amin’ny tranon’ireo Astarta ny fiadiany; ary ny fatiny dia nofantsihany teo amin’ny mandan’i Bety-Sana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny fiadian’i Saola napetrany tao amin’ny tempolin’i Astarte ary ny fatiny napetrany teo amin’ny mandan’i Betsàna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia napetrany tao an-tempolin’ny Hastôreta ny fitaovam-piadian’i Saoly; ary ny fatiny nahantony teo amin’ny mandan’i Bety-Seana.
Malagasy Bible 1865
Dia napetrany tao amin'ny tranon'i Astarta ny fiadiany; ary ny fatiny nohomboany teo amin'ny màndan'i Beti-sana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia napetrany tao amin’ny tranon’ireo Astarta* ny fiadiany; ary ny fatiny dia nofantsihany teo amin’ny mandan’i Bety-Sana.
malagasy
Dia napetrany tao amin'ny tranon'i Astarta ny fiadiany; ary ny fatiny nohomboany teo amin'ny màndan'i Beti-sana.