1 Samuel 31:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony hitan’ny lehilahin’ny Israely teny andafin’ny lohasaha sy teny andafin’i Jordana fa nandositra ny lehilahin’ny Israely, ary maty i Saoly sy ny zanany, dia nandositra niala tao an-tanàna izy ireo, ary tonga ny Filistina ka nonina tao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony hitan’ny olona amin’i Israely izay nitoetra tatỳ an-dafin’ny tany lemaka, sy tetỳ an-dafin’i Jordany, fa nandositra ny zanak’i Israely, sady maty koa i Saola sy ireo zanany, dia nilaozany ny tanànany ka lasa nandositra izy, dia tonga ny Filistinina ka nonina tao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa hitan’ny Israelita izay teny an-dafy andrefan’ny lohasaha sy teny an-dafy andrefan’i Jôrdàna fa nandositra ny tafik’i Israely sady maty i Saoly sy ny zanany, dia nandao ny tanàna izy ka nandositra. Tonga kosa ny Filistinina ka nipetraka tao.
Malagasy Bible 1865
Ary nony hitan'ny lehilahy amin'ny Isiraely teny an-dafin'ny lohasaha sy teny an-dafin'i Jordana fa nandositra ny lehilahy amin'ny Isiraely, ary maty Saoly sy ny zanany, dia niala tao an-tanàna izy ka nandositra; ary dia tonga ny Filistina ka nonina tao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony hitan’ny lehilahin’ny Israely teny andafin’ny lohasaha sy teny andafin’i Jordana fa nandositra ny lehilahin’ny Israely, ary maty i Saoly sy ny zanany, dia nandositra niala tao an-tanàna izy ireo, ary tonga ny Filistina ka nonina tao.
malagasy