1 Samuel 4:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Araka izany dia ho an’ny Israely rehetra ny tenin’i Samoela. Dia nandeha hiady tamin’ny Filistina ny Israely ka nitoby teo anilan’i Ebenezera; fa ny Filistina kosa dia nitoby tany Afeka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary natao tamin’i Israely rehetra ny tenin’i Samoela. Dia nivoaka hiady tamin’ny Filistinina i Israely ka nitoby teo akaikin’i Eben-Ezera; ary ny Filistinina nitoby tao Afeka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Samoela nampita izany teny izany tamin’ny vahoaka Israely tsivakivolo. Indray andro dia nandeha niady tamin’ny Filistinina ny Israelita ka nitoby teo akaikin’i Ebena-Hezera; ny Filistinina kosa nitoby tao Afeka.
Malagasy Bible 1865
Ary tonga tany amin'ny Isiraely rehetra ny tenin'i Samoela. Dia nandeha ny Isiraely hiady tamin'ny Filistina ka nitoby teo anilan'i Ebenezera; ary ny Filistina kosa nitoby tany Afeka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Araka izany dia ho an’ny Israely rehetra ny tenin’i Samoela. Dia nandeha hiady tamin’ny Filistina ny Israely ka nitoby teo anilan’i Ebenezera; fa ny Filistina kosa dia nitoby tany Afeka.
malagasy
[Ny niadian'ny Isiraely tamin'ny Filistina, sy ny namaboana ny fiaran'i Jehovah] Ary tonga tany amin'ny Isiraely rehetra ny tenin'i Samoela. Dia nandeha ny Isiraely hiady tamin'ny Filistina ka nitoby teo anilan'i Ebenezera; ary ny Filistina kosa nitoby tany Afeka.