1 Samuel 4:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tonga izy, indro nipetraka teo amin’ny sezany i Ely sady nitazana teo amoron-dalana, fa niemponempona ny fony noho ny amin’ny vata misy ny faneken’Andriamanitra. Nony tonga tao an-tanàna Ralehilahy dia nitantara ka nidradradradra ny tao an-tanàna rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny fotoana nahatongavany dia nipetraka tamin’ny seza anankiray teo amoron-dalana i Helì ka niandry, fa nangitakitaka ny fony, noho ny amin’ny Fiaran’Andriamanitra. Rehefa tafiditra tao an-tanàna ralehilahy hilaza izany vaovao izany dia nihorakoraka ny tanàna rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny fahatongavany dia efa nipetraka tamin’ny sezany teo amoron-dalana i Helỳ niandry sady nanahy mafy ny amin’ilay Vatamasin’Andriamanitra. Dia tonga nanambara ny vaovao tao an-tanàna ralehilahy, ka nikiakiaka nitomany ny iray tanàna.
Malagasy Bible 1865
Ary raha tonga izy, indro, Ely nipetraka teo amin'ny sezany ka nitazana teo amoron-dalana, fa niemponempona ny fony noho ny fiaran'Andriamanitra. Ary nony tonga tao an-tanàna ralehilahy ka nilaza, dia nidradradradra ny tao an-tanàna rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tonga izy, indro nipetraka teo amin’ny sezany i Ely sady nitazana teo amoron-dalana, fa niemponempona ny fony noho ny amin’ny vata misy ny faneken’Andriamanitra. Nony tonga tao an-tanàna Ralehilahy dia nitantara ka nidradradradra ny tao an-tanàna rehetra.
malagasy