1 Samuel 4:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa ren’i Ely ny feo midradradradra dia hoy izy: Inona izao tabataba izao? Ary nanatona haingana Ralehilahy ka nanambara tamin’i Ely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha nandre izany horakoraka izany i Helì, dia nanao hoe: «Inona izao fihahohahoam-pitabatabana izao?» Ary niaraka tamin’izay dia tonga ralehilahy nilaza ny vaovao tamin’i Helì.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony ren’i Helỳ ny kiakiakan’ny vahoaka, dia nanontany ny antonanton’izany izy; ary nanatona faingana an’i Helỳ ilay lehilahy sady nanambara taminy ny vaovao.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa ren'i Ely ny feo midradradradra, dia hoy izy: Inona izao feo mitabataba izao? Ary ilay lehilahy nanatona faingana ka nilaza tamin'i Ely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa ren’i Ely ny feo midradradradra dia hoy izy: Inona izao tabataba izao? Ary nanatona haingana Ralehilahy ka nanambara tamin’i Ely.
malagasy
Ary rehefa ren'i Ely ny feo midradradradra, dia hoy izy: Inona izao feo mitabataba izao? Ary ilay lehilahy nanatona faingana ka nilaza tamin'i Ely.