1 Samuel 4:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy Ralehilahy tamin’i Ely: Izaho dia avy tany an-tafika; vao androany no nandosirako niala tamin’ny miaramila. Ary hoy i Ely: Nanao ahoana ny tany, anaka?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy ralehilahy taminy: «Vao tonga avy any amin’ny tany niadiana aho, ary avy any amin’ny tany niadiana no nandosirako androany.» Hoy i Helì: «Nanao ahoana sy ahoana avy, anaka?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy ilay lehilahy taminy: –Avy tany am-bava ady aho ary nitsoaka an-daharana vao androany izao. I Helỳ kosa nanontany azy hoe: –Fa inona no nitranga tany, anaka? Dia hoy ny navalin’ilay mpitondra hafatra:
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ilay lehilahy tamin'i Ely: Izaho ilay avy tany an-tafika, ary androany ihany no nandosirako niala tamin'ny miaramila. Ary hoy izy: Nanao ahoana izay tany, anaka?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy Ralehilahy tamin’i Ely: Izaho dia avy tany an-tafika; vao androany no nandosirako niala tamin’ny miaramila. Ary hoy i Ely: Nanao ahoana ny tany, anaka?
malagasy
Ary hoy ilay lehilahy tamin'i Ely: Izaho ilay avy tany an-tafika, ary androany ihany no nandosirako niala tamin'ny miaramila. Ary hoy izy: Nanao ahoana izay tany, anaka?