1 Samuel 4:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia namaly ilay nitondra teny hoe: Nandositra teo anoloan’ny Filistina ny Israely ka be dia be no maty, ary izy mirahalahy zanakao, i Hofinia sy i Finehasa, dia maty koa, sady lasan-ko babo ny vata misy ny faneken’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy ity iraka: «Nandositra teo anoloan’ny Filistinina i Israely: be dia be no voavono tamin’ny vahoaka; izy roa lahy zanakao aza maty koa, dia i Ofnì sy i Finea, ary ny Fiaran’Andriamanitra lasan-ko babo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Vaky nandositra teo anatrehan’ny Filistinina ny Israelita. Fahavoazana lehibe no nianjady tamin’ny tafitsika; ary manampy trotraka izany, ny zanakao mirahalahy, i Hôfnỳ sy i Pinehasa, dia maty koa; ary ny Vatamasin’Andriamanitra lasan’ny Filistinina.
Malagasy Bible 1865
Dia namaly ilay nitondra teny ka nanao hoe: Nandositra teo anoloan'ny Filistina ny Isiraely, ka be dia be no maty, ary izy mirahalahy zanakao, Hofinia sy Finehasa, mba maty koa, sady lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia namaly ilay nitondra teny hoe: Nandositra teo anoloan’ny Filistina ny Israely ka be dia be no maty, ary izy mirahalahy zanakao, i Hofinia sy i Finehasa, dia maty koa, sady lasan-ko babo ny vata misy ny faneken’Andriamanitra.
malagasy