1 Samuel 4:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony nilaza ny amin’ny vata misy ny faneken’Andriamanitra izy dia lavo nitsilany niala tamin’ny sezany teo anilan’ny vavahady i Ely; folaka ny vozony ka maty izy, satria efa antitra sady mavesatra rahateo. Izy dia nitsara ny Israely nandritra ny efapolo taona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vao notononiny ny hoe Fiaran’Andriamanitra dia lavo nitsilany avy teo ambony sezany teo anilan’ny vavahady i Helì ka folaka ny hatony, dia maty izy, satria olona efa antitra sy mavesatra izy. Efapolo taona no nitsarany an’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vantany vao niteny ny momba ny Vatamasin’Andriamanitra ilay mpitondra hafatra, dia nianjera avy teo amin’ny sezany i Helỳ, ary nitrosina teo anilan’ny varavaran’ny Toeramasina; tapaka ny hatony ary dia maty izy, satria sady efa antitra no mavesatra. Efapolo taona no nitondrany ny vahoakan’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Ary nony nilaza ny amin'ny fiaran'Andriamanitra izy, dia lavo nitsilany niala tamin'ny sezany teo anilan'ny vavahady Ely, ka folaka ny vozony, dia maty izy, satria efa antitra sady mavesatra. Ary efa nitsara ny Isiraely efa-polo taona izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony nilaza ny amin’ny vata misy ny faneken’Andriamanitra izy dia lavo nitsilany niala tamin’ny sezany teo anilan’ny vavahady i Ely; folaka ny vozony ka maty izy, satria efa antitra sady mavesatra rahateo. Izy dia nitsara ny Israely nandritra ny efapolo taona.
malagasy