1 Samuel 4:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny vinantovaviny, vadin’i Finehasa, dia nanana anaka ka efa ho teraka; koa nony reny fa lasan-ko babo ny vata misy ny faneken’Andriamanitra sady maty avokoa ny rafozany sy ny vadiny, dia nitanondrika izy ka narary nihetsi-jaza, fa efa ho teraka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Bevohoka sy efa ho teraka ny vinantony vavy, vadin’i Finea, tamin’izay. Nony reny ny vaovao fa hoe lasan-ko babo ny Fiaran’Andriamanitra ary maty avokoa ny rafozany sy ny vadiny dia nionkina izy ka teraka, fa voan’ny faharariana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary bevohòka be efa ho teraka ny vinanton’i Helỳ, dia ny vadin’i Pinehasa izany. Rehefa reny fa lasan’ny Filistinina ny Vatamasin’ny Tompo, sady maty ny rafozany sy ny vadiny, dia nitambonkina ny anao vavy ka teraka tsy satry vokatry ny fanaintainana nahazo azy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny vinantoni-vavy, vadin'i Finehasa, nanan'anaka ka efa ho teraka; koa nony reny fa lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra, sady maty avokoa ny rafozany sy ny vadiny, dia nitanondrika izy ka narary nihetsi-jaza, fa efa ho teraka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny vinantovaviny, vadin’i Finehasa, dia nanana anaka ka efa ho teraka; koa nony reny fa lasan-ko babo ny vata misy ny faneken’Andriamanitra sady maty avokoa ny rafozany sy ny vadiny, dia nitanondrika izy ka narary nihetsi-jaza, fa efa ho teraka.
malagasy